1 Fihirana. Mihir fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.

2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.

3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

4 Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihir.

5 Mankalaz an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana, 

6 Amin'ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan'i Jehovah Mpanjaka.

7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra

9 Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin'ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin'ny fahitsiana.
